-
Ezekiela 35:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Nilaza ianao hoe: ‘Ho lasako ireo firenena sy tany roa ireo, ka samy halaintsika ho antsika!’,+ nefa teo amin’izy ireo i Jehovah. 11 ‘Noho izany, raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia hovaliako araka ny hatezerana sy ny fialonana nasehonao ianao, noho ianao nankahala azy ireo.+ Ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy rehefa mitsara anao aho.
-
-
Zefania 2:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Efa henoko nanala baraka ny vahoakako i Moaba,+ ary nanambanimbany azy ireo ny Amonita,+
Ka nanesoeso azy sy nirehareha hoe haka ny taniny.+
9 Raha mbola velona koa àry aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely,
“Dia ho lasa hoatran’i Sodoma i Moaba,+
Ary hitovy amin’i Gomora ny taranak’i Amona,+
Ka ho lasa toerana feno tsilo sy lavaka fakana sira, ary ho ngazana mandrakizay.+
Horobain’ny sisa amin’ny vahoakako izy ireo,
Ary ho lasan’ny sisa amin’ny vahoakako ny fananany.
-