-
Jeremia 30:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko”, hoy i Jehovah,
“Ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+
Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao,
Ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+
Dia hiverina i Jakoba, ka hilamina sy tsy hisy hanakorontana.
Tsy hisy hampatahotra azy ireo.”+
-
-
Ezekiela 34:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Tsy hataon’ny firenena remby intsony izy ireo, ary tsy hihinana azy ny bibidia eny ambonin’ny tany. Hiadana sy hilamina izy ireo, ka tsy hisy hampatahotra azy.+
-
-
Ezekiela 39:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Haveriko any amin’ny taniny ny olona babo avy amin’i Jakoba,+ ary hamindrako fo ny taranak’Israely manontolo.+ Dia hafana fo aho hiaro ny anarako masina.*+ 26 Rehefa avy nalam-baraka izy ireo noho izy nivadika foana tamiko,+ dia hipetraka tsy hanana ahiahy ao amin’ny taniny, ary tsy hisy hampatahotra azy.+
-
-
Hosea 2:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Amin’izany andro izany, dia hanao fifanekena mba hahasoa ny vahoakako aho, dia fifanekena amin’ny bibidia+
Sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, ary ny biby mandady amin’ny tany.+
Hofoanako tsy hisy eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+
Ary hataoko milamina tsara ilay tany ka tsy hisy hampatahotra azy.+
-