-
Zakaria 6:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Makà volafotsy sy volamena ka manamboara satroboninahitra,* dia ataovy eo amin’ny lohan’i Josoa+ mpisoronabe, zanak’i Jozadaka, ilay izy. 12 Dia teneno izy hoe:
“‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Ity ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka.+ Hitsimoka eo amin’izay misy azy izy, ka hanorina ny tempolin’i Jehovah.+ 13 Izy no hanorina ny tempolin’i Jehovah, ary izy koa no hahazo voninahitra. Dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany koa izy.+ Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo.
-