-
Marka 5:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia tonga ny lehilahy iray antsoina hoe Jairo, izay anisan’ny mpitantana ny synagoga, ka niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy+ raha vao nahita azy. 23 Niangavy an’i Jesosy imbetsaka izy hoe: “Marary mafy* ny zanako vavikely. Andao re ho any e! Dia ametraho tanana izy+ mba ho sitrana ka ho velona ihany.” 24 Dia lasa niaraka tamin’ilay lehilahy i Jesosy. Ary nisy vahoaka be nanaraka azy sady nifanesika teo aminy.
-
-
Lioka 8:41, 42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Nanatona anefa ny lehilahy atao hoe Jairo, izay mpitantana ny synagoga, ka niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy, ary niangavy azy mba hankany an-tranony.+ 42 Efa ho faty mantsy ny zanany vavitokana, izay 12 taona teo ho eo.
Koa nandeha i Jesosy, ary nifanesika teo aminy ny vahoaka.
-