-
Matio 9:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Tamin’izy niteny an’izany, dia nisy mpitantana ny synagoga nanatona ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: “Efa maty angamba izay ny zanako vavy. Andao re ho any aminay e, dia ametraho tanana izy mba ho velona!”+
19 Dia nitsangana i Jesosy, ary nanaraka an’ilay lehilahy izy sy ny mpianany.
-
-
Marka 5:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia tonga ny lehilahy iray antsoina hoe Jairo, izay anisan’ny mpitantana ny synagoga, ka niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy+ raha vao nahita azy. 23 Niangavy an’i Jesosy imbetsaka izy hoe: “Marary mafy* ny zanako vavikely. Andao re ho any e! Dia ametraho tanana izy+ mba ho sitrana ka ho velona ihany.” 24 Dia lasa niaraka tamin’ilay lehilahy i Jesosy. Ary nisy vahoaka be nanaraka azy sady nifanesika teo aminy.
-