-
2 Mpanjaka 4:42-44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa,+ nitondra mofo 20 vita tamin’ny vary orza+ voaloham-bokatra. Nitondra voa vaovao+ iray kitapo koa izy. Nentiny ho an’ilay lehilahin’Andriamanitra ireo. Dia hoy i Elisa: “Omeo hohanin’ny olona ireo.” 43 Hoy anefa ny mpanompony: “Ireo ve dia ho ampy ho an’olona 100?”+ Dia hoy i Elisa: “Omeo hohanin’ny olona ireo, fa izao no lazain’i Jehovah: ‘Hihinana ny olona, ary hisy sisa tsy lany.’”+ 44 Dia narosony azy ireo izany, ka nihinana izy ireo ary nisy sisa tsy lany,+ araka ny tenin’i Jehovah.
-
-
Lioka 9:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Dia nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangonin’ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nahafeno harona 12.+
-