-
Marka 9:43-48Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 “Raha mahatonga anao hanota ny tananao, dia tapaho. Fa aleo ianao tapa-tanana nefa mahazo fiainana, toy izay manana tanana roa nefa ho any amin’ny Gehena,* any amin’ny afo tsy mety maty.+ 44 *—— 45 Ary raha mahatonga anao hanota ny tongotrao, dia tapaho. Fa aleo ianao tapa-tongotra nefa mahazo fiainana, toy izay manana tongotra roa nefa hatsipy any amin’ny Gehena.*+ 46 *—— 47 Ary raha mahatonga anao hanota ny masonao, dia ario lavitra anao.+ Fa aleo ianao toka-maso nefa miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, toy izay manana maso roa nefa hatsipy any amin’ny Gehena.*+ 48 Any mantsy tsy maty ny olitra amin’ny faty, ary tsy mety maty ny afo.+
-