-
Lioka 22:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary i Satana niditra tao amin’i Jodasy, ilay antsoina hoe Iskariota, izay anisan’ny 12 Lahy.+ 4 Dia lasa i Jodasy nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly mba hiresaka hoe ahoana sy ahoana no hamadihany an’i Jesosy ka hanolorany azy amin’izy ireo.+ 5 Koa faly izy ireo, ka nifanaraka hoe hanome vola* azy.+ 6 Dia nanaiky izy, ary nanomboka nitady an’izay fotoana mety tsara hamadihany an’i Jesosy ka hanolorany azy amin’izy ireo, rehefa tsy misy olona.
-