FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Malakia 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Halefako ilay olona irahiko, dia hanomana ny lalana halehako izy.+ Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny+ ilay tena Tompo tadiavinareo. Ho avy koa ilay iraky ny fifanekena izay mahafinaritra anareo. Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Matio 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tatỳ aoriana, dia tonga nitory+ tany an-tany efitr’i Jodia i Jaona+ Mpanao Batisa.

  • Matio 3:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izy, raha ny marina, ilay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany+ hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.’”+

  • Matio 11:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.’+

  • Lioka 3:2-6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 tamin’ny andron’i Anasy lehiben’ny mpisorona sy Kaiafa,+ dia nampita hafatra tamin’i Jaona+ zanak’i Zakaria, tany an-tany efitra,+ Andriamanitra.

      3 Lasa àry izy nankany amin’ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana. Nitory izy hoe tokony hatao batisa ny olona mba hampisehoana fa efa nibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony,+ 4 araka ny voasoratra ao amin’ny boky misy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.+ 5 Tsy maintsy hototofana ny lohasaha rehetra, ary haletsy daholo ny tendrombohitra sy ny havoana; ny lalana miolakolaka tsy maintsy hahitsy ary ny lalana mikitoantoana hatao mitovy tantana; 6 ary ny olombelona* rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra.’”*+

  • Lioka 7:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara