FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 3:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tatỳ aoriana, dia tonga nitory+ tany an-tany efitr’i Jodia i Jaona+ Mpanao Batisa. 2 Hoy izy: “Mibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”+ 3 Izy, raha ny marina, ilay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany+ hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.’”+

  • Matio 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Rehefa lasa ny mpianatr’i Jaona, dia niresaka momba an’i Jaona tamin’ny vahoaka i Jesosy. Hoy izy: “Nivoaka hijery inona tany an-tany efitra ianareo?+ Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?+

  • Matio 11:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.’+

  • Marka 1:2-4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Izao no nosoratan’i Isaia mpaminany: “—Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalanao.+— 3 Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.’”+ 4 Tany an-tany efitra àry i Jaona Mpanao Batisa, nitory hoe tokony hatao batisa ny olona mba hampisehoana fa efa nibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony.+

  • Lioka 1:76
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 76 Fa ianao kosa, ry zanako, dia hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra, satria handeha eo alohan’i Jehovah* ianao mba hanomana ny lalany,+

  • Jaona 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nisy lehilahy iray nirahina ho solontenan’Andriamanitra. Jaona no anarany.+

  • Jaona 1:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Dia hoy izy: “Izaho ilay miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Ataovy mahitsy ny lalana halehan’i Jehovah’,*+ araka ny nolazain’i Isaia mpaminany.”+

  • Jaona 3:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa niteny aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy,+ fa nirahina hialoha azy fotsiny aho.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara