FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 9:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary nisy vehivavy nijaly be, fa nandeha ra+ nandritra ny 12 taona. Nanatona an’i Jesosy avy tao aoriana izy, ka nikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany.+

  • Marka 5:25-28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Ary nisy vehivavy iray nandeha ra+ efa nandritra ny 12 taona,+ tamin’izay. 26 Be dia be ny dokotera efa nitsabo azy, saingy nampijaly be azy ny fitsaboana nataon’izy ireny, sady nandany ny fananany rehetra. Tsy nihasalama akory anefa izy fa vao mainka aza nihanarary. 27 Rehefa henony ny momba an’i Jesosy, dia nanatona azy avy tao aoriana tao anaty vahoaka izy, ka nikasika ny akanjony ivelany.+ 28 Hoy mantsy izy: “Raha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho izao, dia ho sitrana.”+

  • Lioka 8:43, 44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Ary nisy vehivavy iray nandeha ra+ efa nandritra ny 12 taona, nefa tsy nisy nahasitrana azy mihitsy.+ 44 Nanatona an’i Jesosy avy tao aoriana izy, ka nikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany,+ dia nijanona avy hatrany ilay ra.

  • Asan’ny Apostoly 19:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary mbola nanao fahagagana miavaka tamin’ny alalan’i Paoly foana Andriamanitra.+ 12 Koa na ny lamba sy ny aron’akanjo nikasika tamin’ny vatany aza no nentina tany amin’ny marary,+ dia sitrana ny aretina ary nivoaka ny fanahy ratsy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara