-
Matio 26:2-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Fantatrareo fa ho tonga ny Paska+ rehefa afaka roa andro, dia hatolotra amin’ny fahavalony ny Zanak’olona mba hovonoina eo amin’ny tsato-kazo.”+
3 Ary nivory teo an-tokotanin’ilay mpisoronabe nantsoina hoe Kaiafa ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka.+ 4 Niray tetika izy ireo+ hoe hamitaka an’i* Jesosy sy hisambotra azy, ka hamono azy ho faty. 5 Hoy anefa izy ireo: “Aleo tsy amin’ny fety, sao dia hisahotaka ny vahoaka.”
-