-
Matio 9:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nankeo aminy ny mpianatr’i Jaona avy eo, dia nanontany hoe: “Fa maninona izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?”+ 15 Dia hoy i Jesosy: “Tsy misy antony tokony hampalahelo ny naman’ny mpampakatra, raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra.+ Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izay ry zareo vao hifady hanina.
-
-
Lioka 5:33-35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Hoy izy ireo: “Mifady hanina matetika ny mpianatr’i Jaona sady mitalaho amim-bavaka. Manao hoatr’izany koa ny mpianatry ny Fariseo, fa ny anao kosa mihinana sy misotro.”+ 34 Dia hoy i Jesosy: “Tsy azonareo terena hifady hanina ny naman’ny mpampakatra raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Sa tsy izany? 35 Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izany andro izany ry zareo vao hifady hanina.”+
-