-
Matio 9:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nankeo aminy ny mpianatr’i Jaona avy eo, dia nanontany hoe: “Fa maninona izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?”+ 15 Dia hoy i Jesosy: “Tsy misy antony tokony hampalahelo ny naman’ny mpampakatra, raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra.+ Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izay ry zareo vao hifady hanina.
-
-
Marka 2:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary fanaon’ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo ny nifady hanina. Dia nankeo amin’i Jesosy izy ireo ka niteny taminy hoe: “Fa maninona izahay mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?”+ 19 Dia hoy i Jesosy taminy: “Tsy misy antony tokony hampifady hanina ny naman’ny mpampakatra,+ raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Tsy afaka mifady hanina ry zareo raha mbola miaraka aminy ny mpampakatra. 20 Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izay ry zareo vao hifady hanina.
-
-
Lioka 7:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Tonga kosa ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa mbola milaza ihany ianareo hoe: ‘Jereo! Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay io, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota!’+
-