-
Marka 2:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary fanaon’ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo ny nifady hanina. Dia nankeo amin’i Jesosy izy ireo ka niteny taminy hoe: “Fa maninona izahay mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?”+ 19 Dia hoy i Jesosy taminy: “Tsy misy antony tokony hampifady hanina ny naman’ny mpampakatra,+ raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Tsy afaka mifady hanina ry zareo raha mbola miaraka aminy ny mpampakatra. 20 Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izay ry zareo vao hifady hanina.
-
-
Lioka 5:33-35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Hoy izy ireo: “Mifady hanina matetika ny mpianatr’i Jaona sady mitalaho amim-bavaka. Manao hoatr’izany koa ny mpianatry ny Fariseo, fa ny anao kosa mihinana sy misotro.”+ 34 Dia hoy i Jesosy: “Tsy azonareo terena hifady hanina ny naman’ny mpampakatra raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Sa tsy izany? 35 Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony* ny mpampakatra,+ ka amin’izany andro izany ry zareo vao hifady hanina.”+
-