FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 12:9-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Niala teo izy avy eo, dia niditra tao amin’ny synagoga. 10 Io fa nisy lehilahy maty tanana* tao.+ Ary nisy olona te hiampanga an’i Jesosy, ka nanontany azy hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin’ny Sabata?”+ 11 Dia hoy izy tamin’ireo: “Raha manana ondry anankiray ianareo ka latsaka any anaty lavaka amin’ny andro sabata ilay izy, dia iza aminareo no tsy handeha hampiakatra azy avy ao?+ 12 Sarobidy lavitra noho ny ondry anefa ny olona! Azo atao àry ny manao soa amin’ny Sabata.” 13 Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy: “Atsory ny tananao.” Dia natsotrany ny tanany ka sitrana, ary lasa hoatran’ilay ilany. 14 Ny Fariseo kosa nivoaka dia nanao tetika hamonoana azy.

  • Lioka 6:6-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Tamin’ny sabata+ hafa indray, dia niditra tao amin’ny synagoga izy ary nampianatra. Ary nisy lehilahy maty tanana*+ ankavanana tao. 7 Nijery tsara an’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo raha hanasitrana azy izy na tsia, mba hahitana antony hiampangana azy. Sabata mantsy tamin’izay. 8 Fantatr’i Jesosy anefa ny eritreritr’izy ireo,+ ka hoy izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:* “Mitsangàna dia mijoroa etsy afovoany etsy.” Dia nitsangana izy ka nijoro teo. 9 Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Manontany anareo aho: Inona no azo atao amin’ny Sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina sa ny mamono olona?”+ 10 Rehefa avy nijery an’ireo rehetra nanodidina azy teo izy, dia niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “Atsory ny tananao.” Dia nataony izany ka sitrana ny tanany. 11 Romotry ny hatezerana anefa izy ireo, ka niara-nikaon-doha hoe ahoana no hatao amin’i Jesosy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara