FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 12:9-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Niala teo izy avy eo, dia niditra tao amin’ny synagoga. 10 Io fa nisy lehilahy maty tanana* tao.+ Ary nisy olona te hiampanga an’i Jesosy, ka nanontany azy hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin’ny Sabata?”+ 11 Dia hoy izy tamin’ireo: “Raha manana ondry anankiray ianareo ka latsaka any anaty lavaka amin’ny andro sabata ilay izy, dia iza aminareo no tsy handeha hampiakatra azy avy ao?+ 12 Sarobidy lavitra noho ny ondry anefa ny olona! Azo atao àry ny manao soa amin’ny Sabata.” 13 Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy: “Atsory ny tananao.” Dia natsotrany ny tanany ka sitrana, ary lasa hoatran’ilay ilany. 14 Ny Fariseo kosa nivoaka dia nanao tetika hamonoana azy.

  • Marka 3:1-6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Niditra tao amin’ny synagoga indray izy, ary nisy lehilahy maty tanana* tao.+ 2 Nijery azy tsara àry ny olona raha hanasitrana an’ilay lehilahy izy na tsia, mba hiampangany azy. Sabata mantsy tamin’izay. 3 Ary hoy izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:* “Mitsangàna dia mankanesa etsy afovoany etsy.” 4 Hoy izy avy eo tamin’ny olona: “Inona no azo atao amin’ny Sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono olona?”+ Tsy niteny tsy nivolana anefa izy ireo. 5 Ary tezitra izy nijery an’ireo, sady nalahelo be noho ny hamafin’ny fon’ireo,+ ka hoy izy tamin’ilay lehilahy: “Atsory ny tananao.” Dia natsotrany ny tanany ka sitrana. 6 Nivoaka ny Fariseo tamin’izay, ka tonga dia nikaon-doha niaraka tamin’ny mpanohana an’i Heroda+ satria te hamono an’i Jesosy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara