-
Marka 3:1-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Niditra tao amin’ny synagoga indray izy, ary nisy lehilahy maty tanana* tao.+ 2 Nijery azy tsara àry ny olona raha hanasitrana an’ilay lehilahy izy na tsia, mba hiampangany azy. Sabata mantsy tamin’izay. 3 Ary hoy izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:* “Mitsangàna dia mankanesa etsy afovoany etsy.” 4 Hoy izy avy eo tamin’ny olona: “Inona no azo atao amin’ny Sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono olona?”+ Tsy niteny tsy nivolana anefa izy ireo. 5 Ary tezitra izy nijery an’ireo, sady nalahelo be noho ny hamafin’ny fon’ireo,+ ka hoy izy tamin’ilay lehilahy: “Atsory ny tananao.” Dia natsotrany ny tanany ka sitrana. 6 Nivoaka ny Fariseo tamin’izay, ka tonga dia nikaon-doha niaraka tamin’ny mpanohana an’i Heroda+ satria te hamono an’i Jesosy.
-
-
Lioka 6:6-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tamin’ny sabata+ hafa indray, dia niditra tao amin’ny synagoga izy ary nampianatra. Ary nisy lehilahy maty tanana*+ ankavanana tao. 7 Nijery tsara an’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo raha hanasitrana azy izy na tsia, mba hahitana antony hiampangana azy. Sabata mantsy tamin’izay. 8 Fantatr’i Jesosy anefa ny eritreritr’izy ireo,+ ka hoy izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:* “Mitsangàna dia mijoroa etsy afovoany etsy.” Dia nitsangana izy ka nijoro teo. 9 Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Manontany anareo aho: Inona no azo atao amin’ny Sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina sa ny mamono olona?”+ 10 Rehefa avy nijery an’ireo rehetra nanodidina azy teo izy, dia niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “Atsory ny tananao.” Dia nataony izany ka sitrana ny tanany. 11 Romotry ny hatezerana anefa izy ireo, ka niara-nikaon-doha hoe ahoana no hatao amin’i Jesosy.
-