-
Daniela 9:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 “Aorian’ireo 62 herinandro ireo, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+
“Handrava an’ilay tanàna sy ny toerana masina ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary ho vita hatreo ny amin’izy io,* fa hisy tondra-drano. Hisy ady mandra-pahatongan’ny farany, ary hisy fandravana, araka ny didy navoaka.+
-
-
Matio 27:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Tamin’ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin’ny tsato-kazo izy avy eo.+
-
-
Lioka 23:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia nanapa-kevitra i Pilato hoe hotanterahina izay notakin’izy ireo. 25 Koa nafahany ilay lehilahy notakin’izy ireo, dia ilay nogadraina satria nitaona olona hikomy sady namono olona. I Jesosy kosa natolony azy ireo mba hataony araka izay itiavany azy.
-