FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:32, 33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Aza manao fifanekena amin’izy ireo na amin’ny andriamaniny.+ 33 Tsy tokony hipetraka ao amin’ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia tena ho voafandrika.”+

  • Deoteronomia 7:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+ 4 Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+

  • 1 Mpanjaka 11:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Rehefa antitra i Solomona,+ dia voatarik’ireo* vadiny hanaraka andriamani-kafa ny fony.+ Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy.

  • 1 Korintianina 7:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Voafatotry ny fanambadiana ny vehivavy raha mbola velona ny vadiny.+ Fa raha maty* kosa ny vadiny, dia afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara