FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 24:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony, ilay zokiny indrindra tao amin’ny ankohonany sady niandraikitra ny fananany rehetra:+ “Mba ataovy ato ambany feko ny tananao, azafady! 3 Dia hasaiko hianiana amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao hoe tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita eto amin’ity tany ipetrahako ity.+

  • Deoteronomia 7:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+ 4 Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+

  • Nehemia 13:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Noteneniko mafy àry izy ireo, dia nozoniko. Nokapohiko ny lehilahy sasany+ dia nongotako ny volony, ary nasaiko nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra ry zareo sady noteneniko hoe: “Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy na ho vadinareo.+ 26 Tsy izany ve no nahatonga an’i Solomona mpanjakan’ny Israely hanota? Tsy nisy firenena nanana mpanjaka hoatr’azy mihitsy,+ na taiza na taiza. Tia azy mantsy ny Andriamaniny,+ ka nanao azy ho mpanjakan’ny Israely manontolo. Na izy aza anefa voataonan’ireo vadiny hafa firenena ka lasa nanota.+

  • 2 Korintianina 6:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara