-
Ezekiela 1:5-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nisy hoatran’ny zavamananaina efatra+ tao anatin’ilay izy, ka samy hoatran’ny bikabikan’olombelona no fahitana azy. 6 Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra izy ireo.+ 7 Mahitsy ny tongotr’izy ireo, ary mitovy amin’ny kitron’ny zanak’omby ny faladiany. Namirapiratra toy ny varahina nokosehina hangirana koa ny tongony.+ 8 Samy nanana tanan’olona izy ireo teo ambanin’ny elany, teo amin’ny lafiny efatra. Ary samy nanana tarehy sy elatra izy efatra. 9 Nifampikasika ny elatr’izy ireo. Tsy nitodika mihitsy izy ireo rehefa nandeha, fa samy nandeha mahitsy.+
10 Hoatr’izao ny tarehin’izy efatra: Tarehin’olona no teo anoloana, tarehin-diona+ no teo ankavanana, tarehin’omby+ no teo ankavia, ary tarehim-boromahery+ no tao aoriana.
-