Joba
35 Nanohy ny teniny ihany i Eliho, ka nilaza hoe:
2 “Tena resy lahatra ve ianao hoe manana ny rariny matoa milaza hoe:
‘Marina noho Andriamanitra aho’?+
3 Fa hoy ianao: ‘Raharahianao* inona moa na manao ny marina aza aho?
Misy tombony azoko angaha raha tsy manota aho?’+
4 Izaho no hamaly anao
Sy ny namanao.+
5 Mitrakà dia jereo ny lanitra,
Ary diniho ny rahona+ avo be eo amboninao.
6 Raha manota ianao, dia ho voa mafy ve Andriamanitra?+
Mampaninona azy moa raha im-be dia be mandika lalàna ianao?+
7 Raha manao ny marina ianao, dia inona no omenao azy amin’izany;
Inona no azony avy aminao?+
8 Olona hoatr’anao ihany no voa amin’ny ratsy ataonao,
Ary ny zanak’olombelona ihany no mandray soa raha manao ny marina ianao.
9 Mitaraina ny vahoaka rehefa misy mampijaly;
Miantso vonjy izy mba hafahana amin’ny tsindry hazo lena ataon’ny* olona mahery.+
10 Tsy misy milaza anefa hoe: ‘Aiza Andriamanitra, ilay Be Voninahitra Mpanao+ ahy,
Dia ilay mahatonga ny olona hihira amin’ny alina?’+
11 Mampianatra antsika+ hahay noho ny biby etỳ an-tany+ izy,
Ary mahatonga antsika ho hendry noho ny vorona eny amin’ny lanitra.
13 Azo antoka fa tsy henoin’Andriamanitra ny fitarainana tsy misy dikany;*+
Tsy miraharaha an’izany ilay Mahery Indrindra.
14 Koa mainka fa rehefa mitaraina ianao hoe tsy mahita azy!+
Eo anatrehany ny adinao eny amin’ny fitsarana, ka tokony hiandry azy fatratra ianao.+
15 Fa tsy tezitra taminao izy ary tsy nanasazy anao,
Na nanamarika hoe maimaika loatra ianao.+
16 Misoka-bava hiteniteny foana i Joba;
Miteniteny be izy, nefa tsy mahalala na inona na inona akory.”+