Ohabolana
26 Hafahafa raha misy lanezy amin’ny fahavaratra, na misy orana amin’ny fotoam-pijinjana.
Hoatr’izany koa fa hafahafa raha omena voninahitra ny adala.+
2 Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina,
Dia hoatr’izany koa fa misy antony matoa tonga ny ozona.*
3 Natao ho an’ny soavaly ny karavasy, ho an’ny ampondra ny lamboridy,+
Ary natao ho an’ny lamosin’ny tsisy saina ny tsorakazo.+
4 Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany,
Sao ianao ho lasa mitovy aminy koa.
5 Valio araka ny hadalany ny adala,
Sao izy hihevi-tena ho hendry.+
6 Toy ny olona manapaka ny tongony sy mandratra ny tenany*
Ny olona manankina andraikitra amin’ny tsisy saina.
7 Hoatran’ny tongotry ny malemy tongotra,
Dia hoatr’izany koa ny ohabolana lazain’ny tsisy saina.+
8 Izay manome voninahitra ny tsisy saina,
Dia toy ny mamatotra vato amin’ny pilotra.+
9 Hoatran’ny tsilo eny an-tanan’ny olona mamo
Ny ohabolana lazain’ny tsisy saina.
10 Toy ny mpandefa zana-tsipìka mandratra an’izay sendra azy*
Ny olona manakarama ny tsisy saina na ny mpandalo.
11 Hoatran’ny alika miverina amin’ny loany
Ny tsisy saina miverina amin’ny hadalany.+
12 Mahita olona mihevi-tena ho hendry ve ianao?+
Ny adala aza mbola misy antenaina noho izy.
13 Hoy ny kamo: “Misy liona tanora eny an-dalana!
Misy liona eny amin’ny tany malalaka!”+
14 Mihodina eo amin’ny savily ny varavarana,
Ary mihodina eo am-pandrianany koa ny kamo.+
15 Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,
Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mandreraka be azy.+
16 Mihevitra ny kamo hoe
Izy no hendry kokoa noho ny olona fito mahay mamaly.
18 Toy ny adala mandefa zana-tsipìka mirehitra sy mahafaty*
19 Izay manao sangy ratsy,* nefa avy eo miteny hoe: “Vazivaziko fotsiny iny e!”+
20 Maty ny afo rehefa tsy misy kitay,
Ary mijanona ny fifamaliana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.+
21 Toy ny saribao atao anaty vainafo sy kitay atao anaty afo,
Dia hoatr’izany koa fa manitatra ady ny olona tia ady.+
23 Toy ny ranom-bolafotsy nahosotra tamin’ny silaka tanimanga
24 Mahay miresaka erỳ ny mpankahala ka mihatsaravelatsihy,
Nefa ny ao am-pony ao feno fitaka.
25 Aza matoky azy na dia manao teny malefaka aza izy,
Satria zavatra fito maharikoriko no ao am-pony.*
26 Na dia mamitaka aza izy ka afeniny ny fankahalany,
Dia hibaribary eo anivon’ny fiangonana ny toetra ratsiny.
27 Izay mihady lavaka ihany no ho latsaka ao,
Ary izay manakodia vato ihany no hiverenany.+
28 Halan’ny mpandainga ny olona voafitany,
Ary manimba olona ny teny fandokafana.+