FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 10
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Asan’ny Apostoly: Topy Maso

      • Fahitana hitan’i Kornelio (1-8)

      • Fahitana hitan’i Petera momba ireo biby nodiovina (9-16)

      • Nitsidika an’i Kornelio i Petera (17-33)

      • Nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa firenena i Petera (34-43)

        • “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra” (34, 35)

      • Nahazo fanahy masina ny hafa firenena ary natao batisa (44-48)

Asan’ny Apostoly 10:1

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Nibaiko miaramila 100.

  • *

    Andian-tafika romanina misy miaramila 600.

Asan’ny Apostoly 10:3

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Izany hoe tamin’ny 3 tolakandro teo ho eo.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 3:1

Asan’ny Apostoly 10:4

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 65:2

Asan’ny Apostoly 10:9

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Izany hoe tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.

Asan’ny Apostoly 10:10

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 11:5-10

Asan’ny Apostoly 10:14

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Le 11:4, 13-20; 20:25; De 14:3, 19; Ezk 4:14

Asan’ny Apostoly 10:17

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 11:11

Asan’ny Apostoly 10:19

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 13:2; 15:28; 16:6; 20:23

Asan’ny Apostoly 10:22

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 10:1

Asan’ny Apostoly 10:26

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 4:8; As 14:12-15; Ap 19:10; 22:8, 9

Asan’ny Apostoly 10:28

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 18:28
  • +As 10:45; Ef 3:5, 6

Asan’ny Apostoly 10:30

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Izany hoe tamin’ny 3 tolakandro teo ho eo.

Asan’ny Apostoly 10:32

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 9:43

Asan’ny Apostoly 10:33

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Asan’ny Apostoly 10:34

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “tsy manavakavaka.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +De 10:17; 2Ta 19:7; Ro 2:11

Asan’ny Apostoly 10:35

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 2:13; 1Ko 12:13; Ga 3:28

Asan’ny Apostoly 10:36

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 52:7; Na 1:15
  • +Mt 28:18; Ro 14:9; Ap 19:11, 16

Asan’ny Apostoly 10:37

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 4:14

Asan’ny Apostoly 10:38

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 11:2; 42:1; 61:1; Mt 3:16
  • +Lk 13:16
  • +Jn 3:1, 2

Asan’ny Apostoly 10:39

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “hazo.”

Asan’ny Apostoly 10:40

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “ho hitan’ny olona.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jo 1:17; 2:10; As 2:23, 24

Asan’ny Apostoly 10:41

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 24:30, 31; Jn 21:13, 14

Asan’ny Apostoly 10:42

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “hitory amin’ny fomba feno.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 28:19, 20; As 1:8
  • +As 17:31; Ro 14:9; 2Ko 5:10; 2Ti 4:1; 1Pe 4:5

Asan’ny Apostoly 10:43

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 24:27; Ap 19:10
  • +Is 53:11; Je 31:34; Da 9:24

Asan’ny Apostoly 10:44

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 4:31; 8:14, 15

Asan’ny Apostoly 10:45

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “olona tsy mivadika.”

Asan’ny Apostoly 10:46

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:1, 4; 19:6

Asan’ny Apostoly 10:47

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 3:11; As 8:36; 11:17

Asan’ny Apostoly 10:48

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 16:19; As 2:38

Ankapobeny

Asa. 10:3As 3:1
Asa. 10:4Sl 65:2
Asa. 10:10As 11:5-10
Asa. 10:14Le 11:4, 13-20; 20:25; De 14:3, 19; Ezk 4:14
Asa. 10:17As 11:11
Asa. 10:19As 13:2; 15:28; 16:6; 20:23
Asa. 10:22As 10:1
Asa. 10:26Lk 4:8; As 14:12-15; Ap 19:10; 22:8, 9
Asa. 10:28Jn 18:28
Asa. 10:28As 10:45; Ef 3:5, 6
Asa. 10:32As 9:43
Asa. 10:34De 10:17; 2Ta 19:7; Ro 2:11
Asa. 10:35Ro 2:13; 1Ko 12:13; Ga 3:28
Asa. 10:36Is 52:7; Na 1:15
Asa. 10:36Mt 28:18; Ro 14:9; Ap 19:11, 16
Asa. 10:37Lk 4:14
Asa. 10:38Is 11:2; 42:1; 61:1; Mt 3:16
Asa. 10:38Lk 13:16
Asa. 10:38Jn 3:1, 2
Asa. 10:40Jo 1:17; 2:10; As 2:23, 24
Asa. 10:41Lk 24:30, 31; Jn 21:13, 14
Asa. 10:42Mt 28:19, 20; As 1:8
Asa. 10:42As 17:31; Ro 14:9; 2Ko 5:10; 2Ti 4:1; 1Pe 4:5
Asa. 10:43Lk 24:27; Ap 19:10
Asa. 10:43Is 53:11; Je 31:34; Da 9:24
Asa. 10:44As 4:31; 8:14, 15
Asa. 10:46As 2:1, 4; 19:6
Asa. 10:47Mt 3:11; As 8:36; 11:17
Asa. 10:48Mt 16:19; As 2:38
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
  • 26
  • 27
  • 28
  • 29
  • 30
  • 31
  • 32
  • 33
  • 34
  • 35
  • 36
  • 37
  • 38
  • 39
  • 40
  • 41
  • 42
  • 43
  • 44
  • 45
  • 46
  • 47
  • 48
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Asan’ny Apostoly 10:1-48

Asan’ny Apostoly

10 Nisy lehilahy atao hoe Kornelio tany Kaisaria. Manamboninahitra* tao amin’ilay nantsoina hoe andiana miaramila italianina* izy. 2 Mpivavaka be sady natahotra an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany manontolo. Ary nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra izy sady nitalaho tsy tapaka tamin’Andriamanitra. 3 Tamin’ny ora fahasivy*+ teo ho eo, dia nahita fahitana mazava tsara izy. Nahita anjelin’Andriamanitra nanatona azy izy, niteny taminy hoe: “Kornelio a!” 4 Dia nijery azy tsara i Kornelio sady natahotra be, ka niteny hoe: “Ahoana izay, tompoko?” Dia hoy izy: “Efa nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany koa ny fiantranao ny mahantra, ka tsy hadinony izany.+ 5 Koa maniraha olona ho any Jopa mba haka an’ilay lehilahy atao hoe Simona, ilay antsoina koa hoe Petera. 6 Mivahiny ao amin’i Simona mpanao hoditra izy, ary eo amoron-dranomasina ny tranon’izy io.” 7 Vao lasa ilay anjely niresaka taminy, dia nantsoiny ny roa tamin’ny mpiasany sy ny miaramila iray mpivavaka be, izay samy anisan’ny mpikarakara azy. 8 Ary notantarainy tamin’izy ireo ny zava-drehetra, dia nirahiny ho any Jopa izy ireo.

9 Ny ampitson’iny, raha mbola teny an-dalana izy ireo sady efa akaiky an’ilay tanàna, dia niakatra tao an-tampon-trano i Petera, tamin’ny ora fahenina* teo ho eo, mba hivavaka. 10 Noana be anefa izy ka te hihinan-kanina. Raha mbola teo am-pikarakarana sakafo ny olona, dia nahita fahitana i Petera.+ 11 Nahita ny lanitra nisokatra izy, ary nisy zavatra toy ny lamba rongony lehibe nidina avy any. Nampidinina tamin’ny zorony efatra ho etỳ an-tany ilay izy. 12 Nisy biby isan-karazany tao anatiny, dia biby manan-tongotra efatra sy biby mandady ary voro-manidina. 13 Nisy feo niteny taminy avy eo hoe: “Petera a, mitsangàna! Vonoy dia hano!” 14 Hoy anefa i Petera: “Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy nihinan-javatra maloto sy tsy madio+ mihitsy aho.” 15 Dia niteny fanindroany taminy ilay feo hoe: “Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.” 16 Ary nitranga fanintelony izany, dia nakarina avy hatrany tany an-danitra ilay izy avy eo.

17 Raha mbola sahiran-tsaina i Petera hoe inona no mety ho dikan’ilay fahitana, dia tamin’izay indrindra no nijoro teo am-bavahady ireo lehilahy nirahin’i Kornelio, rehefa avy nanontany hoe aiza ny tranon’i Simona.+ 18 Dia niantso izy ireo ka nanontany raha nivahiny tao i Simona, ilay antsoina koa hoe Petera. 19 Teo am-pieritreretana an’ilay fahitana i Petera no niteny taminy ny fanahy masina+ hoe: “Misy telo lahy mitady anao ireo! 20 Koa mitsangàna dia midìna, ary aza misalasala mihitsy fa mandehana miaraka aminy, satria izaho no naniraka an-dry zareo.” 21 Dia nidina nankany amin’izy ireo i Petera, ka niteny hoe: “Izaho ilay tadiavinareo. Ahoana izay?” 22 Hoy ireo: “Misy manamboninahitra atao hoe Kornelio+ naniraka anay. Lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra izy, sady tsara laza eo amin’ny firenena jiosy manontolo. Nisy anjely masina nirahin’Andriamanitra hilaza taminy mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino an’izay holazainao.” 23 Nampandrosoin’i Petera àry izy ireo, ka nivahiny tao aminy.

Niomana i Petera ny ampitson’iny, dia nandeha niaraka tamin’izy ireo. Nisy rahalahy avy tao Jopa koa niaraka taminy. 24 Dia tonga tany Kaisaria izy ny ampitso. Efa niandry azy ireo tokoa i Kornelio, ary efa namory ny havany sy ny namany akaiky. 25 Rehefa niditra i Petera, dia nitsena azy i Kornelio, ary niankohoka tamim-panajana teo an-tongony. 26 Fa natsangan’i Petera izy, ka noteneniny hoe: “Mitsangàna, fa izaho koa ange olombelona ihany e!”+ 27 Sady niresaka taminy i Petera no niditra tao an-trano, ka nahita olona maro efa vory tao. 28 Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny mifanerasera amin’ny hafa firenena na ny manatona azy.+ Nasehon’Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho.+ 29 Ka dia tonga aho, ary tsy nanda mihitsy rehefa nampanalaina. Inona àry no antony nanirahanareo olona haka ahy?”

30 Dia hoy i Kornelio: “Efatra andro lasa izay, tamin’ny ora hoatr’izao indrindra, tamin’ny ora fahasivy,* dia nivavaka tato an-tranoko aho. Ary nisy lehilahy nanao akanjo namirapiratra nijoro teo anoloako, 31 ka niteny hoe: ‘Kornelio a! Efa nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany ny fiantranao ny mahantra ka tsy hadinony. 32 Koa maniraha olona ho any Jopa ary ampanantsoy i Simona, ilay atao koa hoe Petera. Mivahiny ao an-tranon’i Simona mpanao hoditra, eo amoron-dranomasina, izy.’+ 33 Tonga dia naniraka olona tany aminao aho, ary tena misaotra anao nankatỳ. Koa ireto daholo izahay eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino an’izay rehetra nasain’i Jehovah* lazainao aminay.”

34 Dia nanomboka niteny i Petera, ka nilaza hoe: “Azoko tsara amin’izay izao fa tsy mijery tavan’olona* Andriamanitra,+ 35 fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.+ 36 Nandefa hafatra tany amin’ny zanak’Israely izy, mba hotorina amin’izy ireo ilay vaovao tsara hoe afaka mihavana amin’Andriamanitra+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireo. Izy ilay Tompon’ny olon-drehetra.+ 37 Fantatrareo fa taorian’ny batisa notorin’i Jaona, dia ambentin-dresaky ny olona eran’i Jodia manontolo, nanomboka tany Galilia,+ 38 ny amin’i Jesosy avy any Nazareta. Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina+ sy nomeny hery izy ka nandeha eran’ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly izy,+ satria nanampy azy Andriamanitra.+ 39 Ary vavolombelon’ny zava-drehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay. Novonoin-dry zareo anefa izy ka nahantony teo amin’ny tsato-kazo.* 40 Fa natsangan’Andriamanitra izy tamin’ny andro fahatelo,+ dia navelany hiseho tamin’ny olona.* 41 Tsy tamin’ny olon-drehetra anefa no nisehoany, fa tamin’ny vavolombelona notendren’Andriamanitra mialoha, izany hoe taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty.+ 42 Nandidy anay hitory amin’ny olona koa izy, ka hanazava tsara*+ fa izy no notendren’Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty.+ 43 Izy no nambaran’ny mpaminany rehetra+ hoe izay mino azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.”+

44 Raha mbola teo am-piresahana an’izany i Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nihaino ny teny ny fanahy masina.+ 45 Dia gaga ireo mpino* anisan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny hafa firenena koa ny fanahy masina, ilay fanomezana maimaim-poana. 46 Naheno azy ireo niteny tamin’ny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra mantsy izy ireo.+ Dia hoy i Petera: 47 “Nahazo fanahy masina hoatr’antsika koa ireto olona ireto. Koa misy afaka misakana azy ireo tsy hatao batisa+ amin’ny rano ve?” 48 Nasainy natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy+ àry izy ireo. Dia nangataka an’i Petera hijanona andro vitsivitsy tany izy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara