-
Levitikosy 11:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “‘Tsy azonareo hanina anefa ireto biby mandinika na mivaky kitro ireto: Ny rameva satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.+
-
-
Levitikosy 11:13-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “‘Ireto avy ny biby manidina tokony haharikoriko anareo, ka tsy tokony hohaninareo satria zava-maharikoriko: Ny voromahery,+ ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,+ 14 ny papango mena, ny karazana papango mainty rehetra, 15 ny karazana goaika rehetra, 16 ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 17 ny vorondolo kely, ny sakaizamboay, ny vorondolo lava sofina, 18 ny gisa mpanidina, ny gisandrano, ny vaotoro, 19 ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy. 20 Zava-maharikoriko aminareo koa ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra efatra.
-
-
Deoteronomia 14:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Aza mihinana zava-maharikoriko, na inona izany na inona.+
-
-
Deoteronomia 14:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka koa dia maloto aminareo, ka tsy tokony hohanina.
-