FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Korintianina 14
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

1 Korintianina: Topy Maso

      • Fahaizana maminany sy miteny amin’ny fiteny samihafa (1-25)

      • Fivoriana kristianina milamina tsara (26-40)

        • Ny toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana (34, 35)

1 Korintianina 14:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Te 5:20

1 Korintianina 14:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 14:5
  • +1Ko 13:2

1 Korintianina 14:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 12:30
  • +Jl 2:28; As 2:17; 21:8, 9

1 Korintianina 14:6

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ga 1:11, 12; 2:2
  • +1Ko 12:8

1 Korintianina 14:12

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 12:7; 14:4, 26

1 Korintianina 14:13

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 12:8, 10; 14:5

1 Korintianina 14:19

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Fampianarana am-bava no resahina eto.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 14:4

1 Korintianina 14:20

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ef 4:14
  • +Ro 16:19
  • +He 5:13, 14

1 Korintianina 14:21

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “lelan’ny.”

  • *

    Na: “molotry ny.”

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 28:11, 12

1 Korintianina 14:22

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:4, 13

1 Korintianina 14:25

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 45:14; Za 8:23

1 Korintianina 14:26

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “manao salamo.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 12:8, 10

1 Korintianina 14:27

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 14:5

1 Korintianina 14:29

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 13:1

1 Korintianina 14:31

Fanondroana Andininy Hafa

  • +He 10:24, 25

1 Korintianina 14:33

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fiadanana; fihavanana.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 14:40; Kl 2:5

1 Korintianina 14:34

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ti 2:11, 12
  • +1Ko 11:3; Ef 5:22; Kl 3:18; Tit 2:5; 1Pe 3:1

1 Korintianina 14:36

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “Sa hatreo aminareo ihany no tongany?”

1 Korintianina 14:38

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na mety hoe “Fa raha misy tsy te hahalala an’izany, dia mbola tsy hahalala ihany izy.”

1 Korintianina 14:39

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Te 5:20
  • +1Ko 14:27

1 Korintianina 14:40

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 14:33; Kl 2:5

Ankapobeny

1 Kor. 14:11Te 5:20
1 Kor. 14:21Ko 14:5
1 Kor. 14:21Ko 13:2
1 Kor. 14:51Ko 12:30
1 Kor. 14:5Jl 2:28; As 2:17; 21:8, 9
1 Kor. 14:6Ga 1:11, 12; 2:2
1 Kor. 14:61Ko 12:8
1 Kor. 14:121Ko 12:7; 14:4, 26
1 Kor. 14:131Ko 12:8, 10; 14:5
1 Kor. 14:191Ko 14:4
1 Kor. 14:20Ef 4:14
1 Kor. 14:20Ro 16:19
1 Kor. 14:20He 5:13, 14
1 Kor. 14:21Is 28:11, 12
1 Kor. 14:22As 2:4, 13
1 Kor. 14:25Is 45:14; Za 8:23
1 Kor. 14:261Ko 12:8, 10
1 Kor. 14:271Ko 14:5
1 Kor. 14:29As 13:1
1 Kor. 14:31He 10:24, 25
1 Kor. 14:331Ko 14:40; Kl 2:5
1 Kor. 14:341Ti 2:11, 12
1 Kor. 14:341Ko 11:3; Ef 5:22; Kl 3:18; Tit 2:5; 1Pe 3:1
1 Kor. 14:391Te 5:20
1 Kor. 14:391Ko 14:27
1 Kor. 14:401Ko 14:33; Kl 2:5
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
  • 26
  • 27
  • 28
  • 29
  • 30
  • 31
  • 32
  • 33
  • 34
  • 35
  • 36
  • 37
  • 38
  • 39
  • 40
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
1 Korintianina 14:1-40

Korintianina Voalohany

14 Miezaha mafy foana hifankatia, nefa miezaha mafy koa hahazo ny fanomezana avy amin’ny fanahy, indrindra fa ny haminany.+ 2 Fa izay miteny amin’ny fiteny samihafa dia tsy miteny amin’olona, fa amin’Andriamanitra. Tsy misy mahazo mantsy izay lazainy,+ na dia ny fanahy aza no mahatonga azy hilaza zava-miafina masina.+ 3 Fa izay maminany kosa dia milaza teny mampahery sy manatanjaka ary mampionona ny olona. 4 Izay miteny amin’ny fiteny samihafa dia mampahery ny tenany, fa izay maminany kosa mampahery ny fiangonana. 5 Tiako hiteny amin’ny fiteny samihafa+ ianareo rehetra, nefa aleoko ihany ianareo maminany.+ Fa tsara kokoa ny maminany noho ny miteny amin’ny fiteny samihafa, raha tsy hoe adikany angaha izay lazainy, mba hahazoan’ny fiangonana fampaherezana. 6 Raha izao aho, ry rahalahy, no tonga any aminareo ka miteny amin’ny fiteny samihafa, dia hahasoa anareo ve izany? Hahasoa anareo izany raha mampiharihary zavatra tsy fantatrareo aho,+ na mampita fahalalana+ na faminaniana na fampianarana aminareo.

7 Hoatr’izany koa ny zavamaneno, toy ny sodina na harpa. Raha tsy mamoaka feo samy hafa ireo, dia ahoana no hanavahana ny feon-kira avy amin’ilay sodina na avy amin’ilay harpa? 8 Raha tsy mazava tsara ny feo avoakan’ny trompetra, dia iza no hiomana hiady? 9 Hoatr’izany koa fa raha tsy mora azo ny teny lazainareo, dia ahoana no hahafantaran’ny olona an’izay lazainareo? Hiteny amin’ny rivotra fotsiny ianareo, raha ny marina. 10 Mety hisy fiteny maro samihafa eo amin’izao tontolo izao, ary samy misy heviny daholo izy ireny. 11 Fa raha tsy azoko ilay fiteny, dia ho vahiny amin’ilay miteny aho, ary ilay miteny koa ho vahiny amiko. 12 Dia hoatr’izany koa ianareo: Satria te hahazo mafy ny fanomezan’ny fanahy ianareo, dia miezaha hanana be dia be amin’izany mba hampaherezana ny fiangonana.+

13 Aoka àry izay miteny amin’ny fiteny samihafa hivavaka mba hahay handika teny.+ 14 Raha mivavaka amin’ny fiteny hafa mantsy aho, dia ny fanomezan’ny fanahy izay noraisiko no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahazo an’izay lazaiko. 15 Inona àry no tokony hatao? Hampiasa ny fanomezan’ny fanahy aho rehefa mivavaka, nefa koa hampiasa ny saiko mba ho azo izay lazaiko. Hampiasa ny fanomezan’ny fanahy aho rehefa mihira fiderana, nefa koa hampiasa ny saiko mba ho azo izay lazaiko. 16 Fa raha mampiasa ny fanomezan’ny fanahy ianao rehefa midera an’Andriamanitra, dia ahoana no hilazan’ny olon-tsotra eo aminareo hoe “Amena” rehefa manao fisaorana ianao, nefa izy aza tsy mahazo an’izay lazainao akory? 17 Marina fa tsara ny fisaorana ataonao, saingy tsy mahazo fampaherezana ny hafa. 18 Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny fiteny samihafa betsaka kokoa noho ianareo rehetra. 19 Aleoko anefa milaza teny dimy azon’ny saiko mba hampianarako* ny hafa rehefa eo anivon’ny fiangonana, toy izay hilaza teny iray alina amin’ny fiteny samihafa.+

20 Ry rahalahy, aoka ianareo tsy ho zaza raha ny amin’ny fahiratan-tsaina.+ Aoka kosa ianareo ho zaza raha ny amin’ny faharatsiana,+ ary ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahiratan-tsaina.+ 21 Izao no voasoratra ao amin’ny Lalàna: “‘Hiteny amin’ity vahoaka ity amin’ny fitenin’ny* hafa firenena sy ny fitenin’ny* vahiny aho. Mbola tsy hety hihaino ahy ihany anefa izy ireo’, hoy i Jehovah.”*+ 22 Famantarana ho an’ny tsy mpino àry ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, fa tsy ho an’ny mpino,+ ary ho an’ny mpino kosa ny faminaniana, fa tsy ho an’ny tsy mpino. 23 Koa raha mivory eo amin’ny toerana iray ny fiangonana manontolo ka samy miteny amin’ny fiteny samihafa daholo, ary miditra ny olon-tsotra na ny tsy mpino, tsy holazainy fa adala ve ianareo? 24 Fa raha samy maminany kosa ianareo rehetra ary misy tsy mpino na olon-tsotra miditra, dia hananatra azy sy handrisika azy handini-tena tsara ny zavatra rehetra henony. 25 Dia hiharihary izay miafina ao am-pony ka hiankohoka izy ary hivavaka amin’Andriamanitra, sady hilaza hoe: “Tena eo aminareo Andriamanitra!”+

26 Inona àry no tokony hatao, ry rahalahy? Rehefa mivory ianareo, dia misy mihira fiderana,* misy mampianatra, misy milaza ny zavatra naharihary taminy, misy miteny amin’ny fiteny samihafa, ary misy mandika teny.+ Ataovy mba hampaherezana ny zava-drehetra. 27 Ary raha misy miteny amin’ny fiteny samihafa, dia hoferana ho roa na telo izany, raha be indrindra. Ary hifandimby izy ireo, dia tsy maintsy hadika izay lazainy.+ 28 Raha tsy misy mpandika teny anefa, dia tokony hangina izy eo anivon’ny fiangonana ka hiteny amin’ny tenany ihany sy amin’Andriamanitra. 29 Raha misy mpaminany,+ dia ho roa na telo no hiteny, fa ny hafa kosa hamantatra ny hevitr’izay lazainy. 30 Raha misy amin’izay mipetraka eo anefa nampihariharian’Andriamanitra zavatra, dia hangina aloha ilay niteny. 31 Fa samy afaka maminany ianareo rehetra, saingy mandeha tsirairay, mba handraisan’ny rehetra fampianarana sy hahazoan’ny rehetra fampaherezana.+ 32 Ary tokony ho hain’ny mpaminany ny mifehy ny fanomezan’ny fanahy. 33 Fa Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.*+

Toy ny any amin’ny fiangonan’ny olona masina rehetra, 34 dia hangina ny vehivavy rehefa eo anivon’ny fiangonana, fa tsy mahazo miteny.+ Aoka kosa izy ireo hanaiky,+ fa izany koa no lazain’ny Lalàna. 35 Raha misy zavatra tiany ho fantatra, dia hanontany ny vadiny izy rehefa any an-trano, fa mahamenatra raha miteny eo anivon’ny fiangonana ny vehivavy.

36 Avy taminareo angaha no nivoahan’ny tenin’Andriamanitra? Sa ianareo ihany no nomena azy io?*

37 Raha misy aminareo mieritreritra fa mpaminany izy na hoe manana ny fanomezan’ny fanahy, dia tokony hanaiky izy hoe didin’ny Tompo izay soratako aminareo. 38 Fa raha misy tsy miraharaha an’izany, dia tsy horaharahiana koa izy.* 39 Koa miezaha mafy foana haminany,+ ry rahalahiko, nefa koa aza rarana ny hafa tsy hiteny amin’ny fiteny samihafa.+ 40 Ataovy amin’ny fomba mendrika sy milamina tsara+ anefa ny zava-drehetra.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara