HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | HEBREO 12-13
Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah ny Famaizany
Tafiditra amin’ny hoe famaizana ny fanasaziana, fanitsiana, fanomezana toromarika, ary fampianarana. Manafay ny zanany ny ray be fitiavana. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah amintsika. Mahazo famaizana isika rehefa...
mamaky Baiboly, mianatra samirery, misaintsaina, na manatrika fivoriana
misy mpiara-manompo manome torohevitra na manitsy antsika
mizaka ny vokatry ny fahadisoantsika
omena fananarana na roahina tsy ho anisan’ny fiangonana
avelan’i Jehovah hiatrika fitsapana na fanenjehana.—w15 15/9 21 § 13; it “Famaizana, Fananarana, Fifehezana”: “Ireo manome izany sy ny tanjony” § 4