HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 6-8
“Izany Indrindra no Nataony”
Eritrereto ny ezaka tsy maintsy nataon-dry Noa, tamin’izy ireo nanamboatra an’ilay sambofiara. Tsy nanana fitaovana hoatran’ny amin’izao izy ireo, sady mbola tsy nanamboatra zavatra lehibe hoatran’ny sambofiara mihitsy.
Ngezabe ilay sambofiara, satria 133 metatra ny lavany, 22 metatra ny sakany, ary 13 metatra ny haavony
Tsy maintsy nikapa hazo izy ireo, nanamboatra ny paozin’ilay izy, ary nibata sy nanakambana azy
Tsy maintsy nohosorana godorao ny anatiny sy ivelany tamin’ilay sambofiara
Tsy maintsy nanangona sakafo ampy mandritra ny herintaona izy ireo, mba hohanin’izy ireo sy ny biby
Naharitra 40 na 50 taona teo ho eo ny fanamboarana an’ilay sambofiara
Nahoana io tantara io no mampahery antsika, rehefa sarotra ny zavatra asain’i Jehovah ataontsika?