FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.5 7
  • 17-23 Jona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 17-23 Jona
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.5 7

17-23 JONA

SALAMO 51-53

Hira 89 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Inona no Azonao Atao mba Tsy Hanao Fahadisoana Lehibe?

(10 min.)

Aza matoky tena loatra, satria mety hanao fahadisoana daholo ny olona rehetra (Sl 51:5; 2Ko 11:3)

Manàna fahazarana ara-panahy tsara foana (Sl 51:6; w19.01 14 § 4-5)

Miezaha mafy mba tsy hieritreri-dratsy na hanana fanirian-dratsy (Sl 51:10-12; w15 15/6 14 § 5-6)

Sary: Rahalahy tanora iray miezaka hanana fahazarana ara-panahy tsara. 1) Mamaky Baiboly. 2) Mivavaka amin’ny fo. 3) Manome valin-teny any am-pivoriana. 4) Manao fampirantiana.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 52:2-4: Inona no nataon’i Doega raha jerena ireo andininy ireo? (it “Doega”)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 14:1 (th lesona 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd 7:3)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. (lmd 4:4)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Ampahafantaro an’ilay olona hoe iza no anaran’Andriamanitra. (lmd 9:5)

7. Rehefa Mampianatra

(4 min.) lff 14:7, Misy Miteny Hoe (lmd 11:5)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 115

8. Miezaha Hanarina ny Fahadisoana Nataonao

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sary: Nalaina avy tao amin’ilay video hoe “Ny Fiainanay Tanora: Inona no Tokony Hataoko Raha Nanao Fahadisoana Aho?” 1) Thalila. 2) José.

Manao fahadisoana daholo isika na dia miezaka mafy toy inona aza. (1Jn 1:8) Raha sendra manao fahadisoana isika, dia tsy tokony havelantsika hisakana antsika tsy hangataka ny famelan’i Jehovah sy ny fanampiany ny henatra na ny tahotra ny ho voasazy. (1Jn 1:9) Ny mivavaka amin’i Jehovah no tokony hataontsika voalohany, raha te hanarina ny fahadisoantsika isika.

Vakio ny Salamo 51:1, 2, 17. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Nahoana ireo tenin’i Davida ireo no mandrisika antsika hangataka ny fanampian’i Jehovah raha nanao fahadisoana lehibe isika?

Alefaso ilay VIDEO hoe Ny Fiainanay Tanora: Inona no Tokony Hataoko Raha Nanao Fahadisoana Aho? Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Inona avy ny zavatra sasany nahatonga an’i Thalila sy José hanao fahadisoana?

  • Inona no nataon’izy ireo mba hanarenana ny fahadisoana nataon’izy ireo?

  • Inona no soa azon’izy ireo rehefa nanao an’izany?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 83, 84

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 129 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara