Salamo
Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’i Davida, rehefa tonga tany amin’i Saoly i Doega Edomita, ka nilaza taminy fa nankany an-tranon’i Ahimeleka+ i Davida.
52 Nahoana ianao no mirehareha amin’ny zava-dratsy vitanao, ry ilay mahery?+
Be fitiavana sy tsy mivadika Andriamanitra mandritra ny andro.+
3 Ny ratsy no tianao kokoa noho ny tsara,
Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. (Sela)
4 Tianao daholo izay teny mandratra,
Ry lela mpamitaka ô!
5 Noho izany, dia horinganin’Andriamanitra tanteraka ianao.+
Hisambotra anao izy, ary hisintona anao avy ao amin’ny tranolainao;+
Hanongotra anao hiala eo amin’ny tanin’ny velona izy.+ (Sela)
8 Fa izaho kosa ho toy ny hazo oliva midoroboka ao an-tranon’Andriamanitra;
Matoky aho hoe be fitiavana sy tsy mivadika+ mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.