LAHATSORATRA FIANARANA 32
Mahaiza Mandanjalanja Hoatran’i Jehovah
“Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.”—FIL. 4:5.
HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa
HO HITANAO ATOa
Te hitovy amin’iza amin’ireo hazo ireo ianao? (Fehintsoratra 1)
1. Nahoana ny Kristianina no tsy maintsy miezaka hitovy amin’ny hazo? (Jereo koa ny sary.)
“NY HAZO mirona, hono, tsy mba lavon-drivotra.” Misy zavatra mampiavaka ny hazo asongadin’io ohabolana io, ary tena ilain-dry zareo ilay izy mba tsy hahatapaka azy. Inona izany? Mahay milefitra. Tsy maintsy mahay milefitra hoatr’izany koa ny Kristianina, raha te hahavita hanompo an’i Jehovah foana sady ho faly. Ahoana no anaovana an’izany? Tsy maintsy mahay mandanjalanja isika ka miaina mifanaraka amin’ny fiovana eo amin’ny fiainantsika, ary manaja ny hevitry ny hafa sy ny fanapahan-kevitr’izy ireo.
2. Inona ny toetra hanampy antsika rehefa miova ny fiainantsika, ary inona no hodinihintsika ato?
2 Mpanompon’i Jehovah isika, ka tokony hahay handanjalanja. Tokony hanetry tena sy hangoraka koa isika. Hodinihintsika ato hoe nahoana ireo toetra ireo no nanampy ny Kristianina sasany rehefa niova ny fiainan-dry zareo. Ho hitantsika koa fa afaka manampy antsika ireo. Andao anefa aloha isika handinika ny modelin’i Jehovah sy Jesosy, satria izy mianaka no mahay mandanjalanja indrindra.
MAHAY MANDANJALANJA I JEHOVAH SY JESOSY
3. Inona no porofo fa mahay mandanjalanja i Jehovah?
3 Antsoina hoe “ilay Vatolampy” i Jehovah, satria tsy voahozongozona izy sady tsy miovaova mihitsy. (Deot. 32:4) Mahay mandanjalanja koa anefa izy. Rehefa miova ny zava-misy, dia ovan’ilay Andriamanitsika hifanaraka amin’izany ny fanapahan-keviny mba hanatanterahana ny fikasany. Noforonin’i Jehovah hitovy endrika aminy ny olombelona, ka nataony mahay miaina mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny fiainana eny. Nomeny torolalana mazava koa isika ao amin’ny Baiboly, ka manampy antsika hahay hanapa-kevitra izy ireny, na inona na inona olana atrehintsika. Ny modelin’i Jehovah sy ny torolalana nomeny no manaporofo hoe na “Vatolampy” aza izy, dia mahay mandanjalanja koa.
4. Manomeza ohatra mampiseho hoe mahay mandanjalanja i Jehovah. (Levitikosy 5:7, 11)
4 Tonga lafatra ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra ary mahay mandanjalanja izy. Tsy hentitra be amintsika olombelona izy. Eritrereto, ohatra, ny fomba nampisehoany hoe nahay nandanjalanja tamin’ny Israelita izy. Tsy nataon’i Jehovah bambaray ny mahantra sy ny manankarena ka hoe sorona mitovy no notakiny tamin’ny rehetra. Indraindray mantsy navelany hanolotra sorona arakaraka izay nananany ny tsirairay.—Vakio ny Levitikosy 5:7, 11.
5. Manomeza ohatra mampiseho hoe manetry tena sy mangoraka i Jehovah.
5 Manetry tena sy mangoraka i Jehovah, ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja. Niharihary, ohatra, hoe manetry tena izy tamin’izy handringana ny ratsy fanahy tao Sodoma. Naniraka anjely i Jehovah mba hanome toromarika an’ilay olo-marina antsoina hoe Lota. Nasainy nitsoaka tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy. Natahotra ny ho any anefa i Lota, ka niangavy tamin’i Jehovah mba havela handositra tao Zoara izy mianakavy. Tanàna kely efa hoe haringana io Zoara io. Afaka nisisika i Jehovah hoe harahin’i Lota an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomeny. Nanaiky ny fangatahan’i Lota anefa izy, na dia nidika aza izany hoe tsy horinganina indray i Zoara. (Gen. 19:18-22) Nangoraka ny mponin’i Ninive koa i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Naniraka an’i Jona mpaminany izy mba hilaza fa kely sisa dia horavana ilay tanàna ary horinganina ny ratsy fanahy tao. Rehefa nibebaka anefa ny Ninivita, dia nalahelo an-dry zareo i Jehovah ka tsy nandrava an’ilay tanàna indray.—Jona 3:1, 10; 4:10, 11.
6. Manomeza ohatra mampiseho hoe nahay nandanjalanja hoatran’i Jehovah i Jesosy.
6 Nahay nandanjalanja hoatran’i Jehovah i Jesosy. Nirahina tetỳ an-tany izy mba hitory tamin’ny ‘ondry very tamin’ny taranak’Israely.’ Nahay nandanjalanja anefa izy rehefa nanao an’izany asa nanendrena azy izany. Indray mandeha, ohatra, nisy vehivavy tsy Israelita niangavy azy mba hanasitrana ny zanany vavy. ‘Nijaly be’ izy io satria ‘nisy demonia.’ Nangoraka i Jesosy dia nanao an’izay nangatahin’ilay vehivavy, ka nanasitrana ny zanany vavy. (Mat. 15:21-28) Ity koa misy ohatra iray. Nisy fotoana i Jesosy nilaza hoe: “Izay tsy manaiky ... hoe mpianatro, dia tsy hekeko” koa. (Mat. 10:33) Tsy nekeny ho mpianany ve anefa i Petera, tatỳ aoriana, rehefa nanda azy intelo? Tsy izany! Fantatr’i Jesosy mantsy hoe nibebaka sy nanam-pinoana izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Azo inoana fa nanome toky azy izy hoe namela ny helony ary mbola tia azy.—Lioka 24:33, 34.
7. Inona no tiantsika hahafantaran’ny olona antsika, araka ny Filipianina 4:5?
7 Hitantsika teo fa mahay mandanjalanja i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Ary isika? Tian’i Jehovah hahay handanjalanja koa isika. (Vakio ny Filipianina 4:5.) Izao no andikan’ny Baiboly iray an’io andininy io: “Miezaha halaza ho mahay mandanjalanja.” Eritrereto àry izao: ‘Hitan’ny olona ve hoe mahay mandanjalanja sy mandefitra ary malala-tsaina aho? Sa hentitra be sy masiaka ary be kirina no fahitan-dry zareo ahy? Tereko hanaraka an’izay mety amiko ve ny olon-kafa, sa mihaino an-dry zareo ihany aho sady milefitra rehefa azo ekena ny heviny?’ Arakaraka ny ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika no ahitana raha tena manahaka an’i Jehovah sy Jesosy isika na tsia. Rahoviana, ohatra, isika no mila mampiseho an’izany? Voalohany, rehefa miova ny fiainantsika. Ary faharoa, rehefa tsy mitovy amin’ny antsika ny hevitry ny hafa sy ny fanapahan-kevitra noraisiny. Andao isika handinika an’ireo.
MAHAIZA MANDANJALANJA REHEFA MIOVA NY FIAINANA
8. Inona no manampy antsika hahay handanjalanja rehefa miova ny fiainana? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
8 Mahay mandanjalanja isika raha mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy rehefa miova ny fiainantsika. Mety hampisy olana tsy nampoizintsika ireny fiovana ireny. Mety harary tampoka, ohatra, isika. Na miova tampoka ny toe-karena na ny toe-draharaha politika, dia mikorontana ambony ambany ny fiainantsika. (Mpito. 9:11; 1 Kor. 7:31) Na ny fiovan’ny fanendrena antsika eo anivon’ny fandaminana aza mety ho mafy amintsika. Hahavita hiatrika fiovana anefa isika, na inona na inona olana, raha manaraka an’ireto dingana efatra ireto: 1) Manaiky ny zava-misy, 2) mibanjina ny hoavy, 3) mifantoka amin’izay tsara, ary 4) manao zavatra ho an’ny hafa.b Andao isika handinika an’izay niainan’ny olona sasany mba hampisehoana hoe nahoana ireo dingana ireo no manampy.
9. Ahoana no nataon’ny mpivady misionera iray rehefa nisy olana tsy nampoizina?
9 Ekeo ny zava-misy. Voatendry ho misionera tany an-tany hafa i Emanuele sy Francesca. Vao nianatra an’ilay fiteny sy nifankahafantatra tamin’ilay fiangonany vaovao izy mivady, dia nanomboka ilay valanaretina COVID-19, ka tsy maintsy niezaka tsy nifanerasera tamin’ny olona ry zareo. Maty tampoka ny maman’i Francesca avy eo. Tena te hiaraka tamin’ny fianakaviany izy, nefa tsy afaka nody noho ilay valanaretina. Ahoana no nahavitany niatrika an’ireny olana mahakivy ireny? Voalohany, niara-nivavaka i Emanuele sy Francesca mba hahazo fahendrena, ka tsy hanahy be loatra fa hiatrika ny andro tsirairay. Nanome sakafo ara-panahy ara-potoana i Jehovah mba hamaliana ny vavaka nataon-dry zareo. Nisy rahalahy nadinadinina, ohatra, tao amina video iray, dia nampahery an-dry zareo ny teniny. Izao no nolazain’ilay rahalahy: “Raha vetivety isika dia manaiky fiovana, dia vetivety koa isika dia ho falifaly indray sady hanararaotra an’iny toe-javatra vaovao iny mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa.”c Faharoa, nazoto nianatra nitory an-telefaonina ry zareo ary nanomboka nampianatra Baiboly mihitsy. Fahatelo, nanaiky hampaherezina sy hampian’ny mpiara-manompo teo an-toerana izy mivady, sady nankasitraka ny fitiavan-dry zareo. Nisy anabavy iray izay, ohatra, niahy azy mivady, dia nandefa andinin-teny fohy anankiray foana isan’andro nandritra ny herintaona. Rehefa manaiky fiovana hoatr’izany isika, dia ho afa-po amin’izay azontsika atao.
10. Ahoana no nataon’ny anabavy iray mba hiainana mifanaraka amin’ny fiovana lehibe teo amin’ny fiainany?
10 Banjino ny hoavy ary mifantoha amin’izay tsara. Anabavy romanianina mipetraka any Japon i Christina. Diso fanantenana izy rehefa nofoanana ilay fiangonana miteny anglisy nivoriany. Tsy nifantoka tamin’ny lasa anefa izy. Nanapa-kevitra hanao izay tsara indrindra vitany kosa izy tao amin’ilay fiangonana miteny japoney nifindrany, ka hiezaka mafy amin’ny fanompoana. Nangataka tamin’ny mpiara-miasa taminy taloha izy mba hanampy azy hianatra an’ilay fiteny. Nanaiky hampiasa ny Baiboly sy ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ilay vehivavy, mba hampianarana teny japoney an’i Christina. Tsy vitan’ny hoe lasa nahay niteny japoney kokoa i Christina, fa nanomboka liana tamin’ny fahamarinana koa ilay vehivavy. Rehefa mibanjina ny hoavy sy mifantoka amin’izay tsara isika, dia tsy ampoizintsika fa mety hitondra fitahiana indray ilay fiovana tsy noeritreretintsika teo.
11. Inona no nanampy ny mpivady iray rehefa lasa sahirana ara-bola ry zareo?
11 Manaova zavatra ho an’ny hafa. Lasa sahirana ara-bola ny mpivady iray mipetraka any amin’ny firenena andrarana ny asantsika, rehefa nitotongana ny toe-karena tany. Dia ahoana no nataon’izy roa? Nanatsotra ny fiainany aloha ry zareo. Tsy nifantoka tamin’ny olana nahazo azy ry zareo avy eo, fa nanapa-kevitra hoe aleo miezaka manampy ny hafa foana ka hitory betsaka araka izay azo atao. (Asa. 20:35) Izao no nolazain’ilay rahalahy: “Rehefa variana teny amin’ny fanompoana izahay, dia lasa tsy nanam-potoana firy hieritreretana zavatra mahakivy, fa nifantoka kokoa tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.” Rehefa miova ny fiainantsika, dia tsy maintsy tadidintsika hoe tena ilaina ny manohy manampy ny hafa, indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana.
12. Nahoana ny ohatr’i Paoly no manampy antsika hampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay mitranga eny amin’ny fanompoana?
12 Mila mahay mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay mitranga eny amin’ny fanompoana koa isika. Mihaona amin’ny olona samihafa finoana sy toe-tsaina ary fiaviana mantsy isika eny. Nahay nampifanaraka ny fitoriany tamin’ny zava-misy, ohatra, ny apostoly Paoly ary afaka mianatra avy aminy isika. Notendren’i Jesosy ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy. (Rom. 11:13) Izany no nahatonga an’i Paoly hitory tamin’ny Jiosy, Grika, avara-pianarana, tantsaha, olona ambony, ary mpanjaka. Inona no nanampy an’i Paoly hanohina ny fon’ny olona isan-karazany hoatr’izany? Niezaka ny ho “lasa zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” izy. (1 Kor. 9:19-23) Nodinihiny tsara ny kolontsaina sy ny fiaviana ary ny finoan’ny olona nihaino azy, dia nampifanarahiny tamin’izany ny zavatra nolazainy. Handaitra kokoa hoatr’izany ny fitoriantsika raha mahay mitady hevitra isika, sady ampifanarahintsika amin’izay ilain’ny olona ny zavatra resahintsika.
HAJAO NY HEVITRY NY HAFA
Hanaja ny hevitry ny hafa isika raha mahay mandanjalanja (Fehintsoratra 13)
13. Inona ny olana lehibe ho voasoroka raha manaja ny hevitry ny hafa isika, araka ny 1 Korintianina 8:9?
13 Rehefa mahay mandanjalanja koa isika, dia manampy antsika hanaja ny hevitry ny hafa izany. Ny anabavintsika sasany, ohatra, tia manao makiazy, fa ny hafa kosa tsy tia. Misy indray Kristianina tia misotrosotro araka ny antonony, fa ny hafa kosa aleony tsy mikasika zava-pisotro misy alkaola mihitsy. Samy te ho salama tsara daholo isika Kristianina, nefa samy hafa ny fitsaboana mety ho tiantsika harahina. Mety hanafintohina ny olon-kafa sy hampisara-bazana ny fiangonana anefa isika, raha mieritreritra hoe ny antsika foana no marina ka miezaka mandresy lahatra ny rahalahy sy anabavy hanaraka an’izany isika. Mazava ho azy fa tsy te hanao an’izany isika! (Vakio ny 1 Korintianina 8:9; 10:23, 24.) Andao isika handinika ohatra roa mampiseho hoe hahay handanjalanja sy hihavana tsara foana isika rehefa mampihatra ny torolalan’ny Soratra Masina.
Hanaja ny hevitry ny hafa isika raha mahay mandanjalanja (Fehintsoratra 14)
14. Inona ny torolalan’ny Baiboly tokony harahintsika momba ny akanjo sy ny taovolo?
14 Akanjo sy taovolo. Tsy manome lalàna hentitra be momba ny fitafiana i Jehovah, fa torolalana kosa no omeny. Tiany ho mendrika ny mpanompon’Andriamanitra ny fomba fiakanjontsika, izany hoe tokony ho hita amin’izay anaovantsika fa mahay mandanjalanja sy maotina ary ‘misaina tsara’ isika. (1 Tim. 2:9, 10; 1 Pet. 3:3) Tsy tiantsika àry raha hoe lasa isika no ifantohan’ny olona noho ny fomba fiakanjontsika. Manampy ny anti-panahy koa ny torolalan’ny Baiboly mba tsy hametraka lalàna momba ny akanjo sy ny taovolo. Te hanampy ny rahalahy tanora tao amin-dry zareo, ohatra, ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana iray. Lamaody tamin’izany ny volo fohy nefa mikorontana, dia nanaraka an’izany ireo tanora ireo. Ahoana no nataon’ny anti-panahy mba hanampiana an-dry zareo, nefa tsy nametraka lalàna? Natoron’ny mpiandraikitra ny faritra ry zareo hoe izao lazaina amin’ireny rahalahy tanora ireny: “Raha eny amin’ny lampihazo ianao, nefa ny paozinao no ifantohan’ny olona kokoa noho izay lazainao, dia misy olana izay amin’ny akanjonao sy ny volonao.” Io fanazavana tsotra io dia efa nampilamina an’ilay olana, fa tsy nila nanao lalàna.d
Hanaja ny hevitry ny hafa isika raha mahay mandanjalanja (Fehintsoratra 15)
15. Inona ny lalàna sy torolalan’ny Baiboly manampy antsika hifidy fitsaboana? (Romanina 14:5)
15 Fitsaboana. Ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra hoe ahoana no hikarakarany ny fahasalamany. (Gal. 6:5) Vitsy ihany ny lalàn’ny Baiboly tsy maintsy arahin’ny Kristianina rehefa mifidy fitsaboana, anisan’izany ilay hoe mifady ny ra sy izay zavatra mifandray amin’ny herin’ny maizina. (Asa. 15:20; Gal. 5:19, 20) Safidin’ny tsirairay kosa ny ankoatra izay. Ny mpiara-manompo sasany any amin’ny dokotera ihany no mandeha, fa misy indray mitady fitsaboana hafa. Na ahoana na ahoana anefa fahitantsika ny fitsaboana iray, dia mila manaja ny zon’ny rahalahy sy anabavy isika hoe ry zareo ihany no manapa-kevitra momba ny fitsaboana arahiny. Mila tadidintsika àry ireto: 1) Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanasitrana tanteraka ny aretina. (Isaia 33:24) 2) Ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy “resy lahatra” ny amin’izay mety indrindra aminy. (Vakio ny Romanina 14:5.) 3) Tsy mitsaratsara ny hafa isika na ‘mametraka vato mahatafintohina’ eo anoloan-dry zareo. (Rom. 14:13) 4) Mampiseho fitiavana ny Kristianina, ka ny firaisan-tsainan’ny fiangonana no sarobidy kokoa aminy noho ny safidiny manokana. (Rom. 14:15, 19, 20) Raha mitadidy an’ireo isika, dia hihavana tsara amin’ny rahalahy sy anabavy foana ary hampiray saina ny fiangonana.
Hanaja ny hevitry ny hafa isika raha mahay mandanjalanja (Fehintsoratra 16)
16. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy iray hoe mahay mandanjalanja izy rehefa mifandray amin’ny anti-panahy hafa? (Jereo koa ny sary.)
16 Modely ny anti-panahy, ka tsy maintsy miezaka ny hahay handanjalanja. (1 Tim. 3:2, 3) Tsy tokony hieritreritra, ohatra, ny anti-panahy iray hoe ny heviny foana no arahina, satria fotsiny hoe izy no zokiny indrindra amin’ny anti-panahy. Miaiky kosa izy fa afaka miasa amin’ny anti-panahy rehetra ny fanahin’i Jehovah mba hahatonga ny anti-panahy hafa haneho hevitra, amin’izay ry zareo mandray fanapahan-kevitra tsara. Ahoana koa no ahitana hoe mahay mandanjalanja ny anti-panahy iray, na dia tsy azoazony aza ny fanapahan-kevitra tapaky ny ankamaroan’ny anti-panahy? Vonona hanohana an’ilay fanapahan-kevitra izy, raha tsy mifanipaka amin’ny torolalan’ny Baiboly ilay izy.
NY SOA RAISIN’IZAY MAHAY MANDANJALANJA
17. Inona no fitahiana ho azon’ny Kristianina mahay mandanjalanja?
17 Mandray soa be dia be ny Kristianina rehefa mahay mandanjalanja. Mifandray kokoa amin’ny rahalahy sy anabavy, ohatra, isika, moa ny fiangonana koa mihavana tsara. Mahafinaritra antsika mihitsy aza ny mahita hoe samihafa toetra sy kolontsaina ny vahoakan’i Jehovah, nefa miray saina manompo azy. Ny tsara indrindra anefa dia hoe afa-po isika mahalala fa manahaka an’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahay mandanjalanja.
HIRA 90 Andao Isika Hifampahery
a Mahay mandanjalanja i Jehovah sy Jesosy, ary tian-dry zareo hiezaka hanana an’io toetra io isika. Raha mahay mandanjalanja isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hiaina mifanaraka amin’ny fiovana mitranga, ohatra hoe rehefa marary isika na sahirana ara-bola. Hanampy ny fiangonana hihavana sy hiray saina koa isika.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehana Fiovana?” ao amin’ny Mifohaza! No. 4 2016.
c Karohy ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Fanadinadinana ny Rahalahy Dmitriy Mikhaylov.
d Ahitana fanazavana fanampiny momba ny akanjo sy taovolo ny lesona 52 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!