HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 20-21
“Tia Ahy Mihoatra Noho ny Itiavanao An’iretsy ve Ianao?”
Nanam-paharetana sy nazoto niasa ary vonona hiatrika zava-tsarotra ny mpanarato fahiny, mba hahazoana trondro. (w12 1/8 18-20) Hanampy an’i Petera hahay hanarato olona ireo toetra ireo. Tena tia nanarato i Petera. Inona anefa no hataony loha laharana eo amin’ny fiainana? Hanarato sa hikarakara ny ondrin’i Jesosy?
Inona no fanovana efa nataonao mba ho loha laharana eo amin’ny fiainanao ny fanompoana an’i Jehovah?