HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Vavaka Ampahibemaso Feno Fanetren-tena sy Vokatry ny Fo
Nanao vavaka vokatry ny fony teo imason’olona i Solomona nandritra ny fitokanana ny tempoly (1Mp 8:22; w09 15/11 9 § 9-10)
Nidera an’i Jehovah i Solomona fa tsy nampifantoka ny sain’ny olona tamin’ny tenany (1Mp 8:23, 24)
Nanetry tena i Solomona rehefa nivavaka (1Mp 8:27; w99 15/1 17 § 7-8)
Ohatra tsara i Solomona, indrindra ho an’izay mivavaka ampahibemaso. Rehefa mivavaka isika dia ny fiheveran’i Jehovah antsika no tena tokony hifantohantsika fa tsy ny fiheveran’ny olona antsika.