HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Sarobidy ny Fahendrena
Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah i Solomona (1Mp 3:7-9; w11 15/12 8 § 4-6)
Nahafaly an’i Jehovah ny fangatahany (1Mp 3:10-13)
Niadana ilay firenena satria sarobidy tamin’i Solomona ny fahendrena avy amin’i Jehovah (1Mp 4:25)
Mampiasa fahalalana sy fahiratan-tsaina ny olona hendry ka mahay manapa-kevitra. Sarobidy noho ny volamena ny fahendrena. (Oh 16:16) Ho hendry isika raha mangataka fahendrena amin’Andriamanitra, matahotra azy, manetry tena, ary mandalina ny Teniny.