HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Miezaha ho Faly Foana na dia Diso Fanantenana Aza
Naniry mafy hanorina tempoly tsara tarehy ho an’i Jehovah i Davida (1Ta 17:1, 2; w06 15/7 19 § 1)
Niteny tamin’i Davida i Jehovah hoe tsy izy no hanorina an’ilay tempoly (1Ta 17:4)
Nifantoka foana tamin’ny asa nampanaovin’i Jehovah azy i Davida (1Ta 17:7; 18:14)
Raha misy tombontsoam-panompoana mba tianao nefa tsy afaka manao an’ilay izy ianao noho ny taonanao, ny fahasalamanao, na antony hafa, dia izay mbola azonao atao ifantohana.—As 18:5; w21.08 33:11.