FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 37:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Miantra olona mandrakariva izy ka mampisambotra,+

      Koa hahazo fitahiana ny taranany.+

  • Salamo 112:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Izay olona tsara dia miantra+ sy mampisambotra.+

      י [Yôda]

      Manao ny rariny izy amin’izay ataony.+

  • Ohabolana 3:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa+ raha mbola azon’ny tananao atao ihany.+

  • Ohabolana 14:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Izay manambaka ny tsy manana dia manala baraka ny Mpanao azy,+ fa izay miantra ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.+

  • Lioka 6:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Mifanohitra amin’izany kosa fa tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva, mampisambora vola+ tsy misy zanany, ary aza manantena valiny. Amin’izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo,+ satria izy tsara fanahy+ amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy.

  • Asan’ny Apostoly 11:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa tapa-kevitra ny mpianatra fa samy handefa fanampiana+ araka izay vitany,+ ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia.

  • 1 Timoty 6:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Anaro koa izy ireny mba hanao soa,+ sy hanan-karena amin’ny asa tsara,+ ho tia manome, ho vonon-kizara,+

  • 1 Jaona 3:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa raha misy manam-pananana+ eto amin’ity tontolo ity, ka mahita ny fahantran’ny+ rahalahiny, nefa mandà tsy hangoraka azy,*+ ahoana moa no hitoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminy?+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara