FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia tsy hovolenao ilay tany fa havelanao hiala sasatra,+ ka ny mahantra eo aminao no hihinana avy aminy. Ary izay tsy lanin’ireo no hohanin’ny bibidia.+ Izany no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny sahan’olivanao.

  • Levitikosy 23:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “‘Rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia aza jinjaina tanteraka ny sisin’ny sahanareo. Ary aza alaina ny vokatra navelan’ny mpijinja,+ fa avelao ho an’ny ory+ sy ny vahiny monina eo aminareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”

  • Deoteronomia 24:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Raha mijinja ny vokatrao any an-tsaha ianao,+ ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka izany. Tokony havela ho an’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena izany.+ Dia hotahin’i Jehovah ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara