FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 15:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tena tokony homenao izy,+ ary tsy tokony ho kahihitra ny fonao rehefa manome azy, satria izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy izay rehetra hataonao.+

  • Ohabolana 11:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Misy tia manome nefa vao mainka mitombo fananana,+ fa misy kosa tsy mahafoy manome, nefa mihamahantra ihany.+

  • Ohabolana 14:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Manota izay manao tsinontsinona ny namany,+ fa sambatra kosa izay miantra ny ory.+

  • Ohabolana 19:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+ ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.+

  • Lioka 6:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.+ Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”+

  • 2 Korintianina 9:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Raha ny amin’izany, izay kahihitra ka mamafy kely+ dia hijinja kely, fa izay malala-tanana ka mamafy be+ kosa dia hijinja be.

  • 1 Jaona 3:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa raha misy manam-pananana+ eto amin’ity tontolo ity, ka mahita ny fahantran’ny+ rahalahiny, nefa mandà tsy hangoraka azy,*+ ahoana moa no hitoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminy?+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara