4 Tsy tokony hisy ho lasa mahantra anefa eo aminao, satria hitahy anao tokoa i Jehovah+ ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, sy halainao ho fanananao,+
19 “Raha mijinja ny vokatrao any an-tsaha ianao,+ ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka izany. Tokony havela ho an’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena izany.+ Dia hotahin’i Jehovah ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao.+
8 Ary hain’Andriamanitra ampitomboina be dia be ho anareo ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa rehetra, mba hanam-be foana ianareo amin’ny zava-drehetra. Etsy an-danin’izany, dia anananareo be dia be koa izay ilaina mba hanaovana ny asa tsara rehetra.+