FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 22:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Koa mba tongava re ka ozòny+ io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy e! Angamba ho afaka handresy azy aho ka handroaka azy tsy ho eto amin’ny taniko. Fantatro tsara mantsy fa izay tsofinao rano dia mahazo fitahiana, fa izay ozoninao kosa voaozona.”+

  • Nomery 23:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nanao oha-teny+ i Balama hoe:

      “Nampanalain’i Balaka mpanjakan’i Moaba avy any Arama+ aho,

      Avy any amin’ny tendrombohitra any atsinanana, ka hoy izy:

      ‘Tongava ka ozòny i Jakoba.

      Tongava ka melohy ny Israely.’+

  • Nomery 23:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Fa inona izao ataonao amiko izao? Ny hanozona ny fahavaloko no nakako anao, nefa vao mainka mitso-drano azy indray ianao!”+

  • Nomery 24:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka nitehaka+ izy. Ary hoy izy tamin’i Balama: “Ny hanozona+ ny fahavaloko no niantsoako anao, nefa vao mainka nitso-drano azy intelo ianao.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara