6 Fa mbola hiteny hadalana ihany ny adala,+ ary mamorona teti-dratsy ao am-pony+ izy, mba hahatonga fivadiham-pinoana+ sy mba hilazana lainga hanoherana an’i Jehovah ary mba handefasana ny noana sy ny mangetaheta hody maina.+
38 Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.+ Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”+
16 nefa misy aminareo milaza aminy hoe: “Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!”, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany?+