FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 1:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Taorian’ny nahafatesan’i+ Josoa, dia nanontany+ an’i Jehovah ny zanak’Israely hoe: “Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny Kananita?”

  • Mpitsara 20:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Dia niainga izy ireo ka niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra.+ Koa hoy ny zanak’Israely: “Iza aminay no ho loha laharana rehefa hiakatra hiady amin’ny taranak’i Benjamina?”+ Hoy i Jehovah: “Joda no ho loha laharana.”+

  • Mpitsara 20:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Nijoro teo anoloan’izy io+ i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: “Mbola hivoaka hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany ve aho, sa aoka izay?”+ Dia hoy i Jehovah: “Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.”+

  • 1 Samoela 23:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nanontany+ an’i Jehovah i Davida hoe: “Handeha hamely ny Filistinina ve aho?” Dia hoy i Jehovah taminy: “Mandehana mamely ny Filistinina ka vonjeo i Keila.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara