FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary tonga tamin’i Otniela ny fanahin’i+ Jehovah, ka lasa mpitsara teo amin’ny Israely izy. Rehefa nivoaka hiady izy, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanany i Kosana-risataima mpanjakan’i Syria, ka resiny+ io mpanjaka io.

  • Mpitsara 6:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Ary tonga tamin’i* Gideona ny fanahin’i* Jehovah,+ ka notsofiny ny anjombona.+ Dia novorina ny Abi-ezerita+ mba hanaraka azy.

  • Mpitsara 11:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Dia tonga tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah,+ ka namakivaky ny faritr’i Gileada sy Manase ary Mizpe any Gileada+ izy. Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nankany amin’ny taranak’i Amona.

  • Mpitsara 14:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia niasa taminy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nosamahiny roa toy ny fanasamaka osilahy kely ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy noteniteneniny tamin’ny ray aman-dreniny izay nataony.

  • 1 Samoela 10:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia lasa nankeny amin’ilay havoana izy ireo, ka nifanena tamin’ny mpaminany maromaro. Koa niasa tamin’i Saoly avy hatrany ny fanahin’Andriamanitra,+ ka niteny toy ny mpaminany+ teo amin’ireo izy.

  • 1 Samoela 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka+ i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara