1 Samoela 13:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao.+ Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah,+ ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika+ ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+ 1 Samoela 15:28 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 28 Dia hoy i Samoela: “Efa norovitin’i Jehovah hiala+ aminao ny fanjakan’ny Israely androany, ka homeny ho an’olona tsara kokoa noho ianao.+ 1 Samoela 16:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka+ i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+ 1 Samoela 20:31 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 31 Fa amin’ny andro rehetra hahaveloman’ny zanak’i Jese eto an-tany, dia tsy haharitra ialahy sy ny fanjakan’ialahy.+ Koa maniraha olona haka azy hankatỳ amiko, fa tokony ho faty izy.”+ 1 Samoela 24:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Fantatro tsara izao fa tsy maintsy hanjaka ianao,+ ary azo antoka fa haharitra eo an-tananao ny fanjakan’ny Israely.
14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao.+ Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah,+ ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika+ ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+
28 Dia hoy i Samoela: “Efa norovitin’i Jehovah hiala+ aminao ny fanjakan’ny Israely androany, ka homeny ho an’olona tsara kokoa noho ianao.+
13 Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka+ i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+
31 Fa amin’ny andro rehetra hahaveloman’ny zanak’i Jese eto an-tany, dia tsy haharitra ialahy sy ny fanjakan’ialahy.+ Koa maniraha olona haka azy hankatỳ amiko, fa tokony ho faty izy.”+
20 Fantatro tsara izao fa tsy maintsy hanjaka ianao,+ ary azo antoka fa haharitra eo an-tananao ny fanjakan’ny Israely.