FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 2:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hanorina trano ho an’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitro aho,+ mba hohamasiniko+ ho azy, sy handoroana emboka manitra+ eo anatrehany miaraka amin’ny mofo+ mifanaingina izay eo mandrakariva, ary mba hanaterana fanatitra dorana amin’ny maraina sy ny takariva,+ rehefa sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitray. Hataon’ny Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra+ izany.

  • 2 Tantara 7:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Omby roa arivo sy roa alina, ary ondry roa alina sy iray hetsy no natolotr’i Solomona Mpanjaka ho sorona.+ Koa notokanan’ny+ mpanjaka sy ny vahoaka manontolo ny tranon’Andriamanitra.

  • Ezra 6:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary nitokana+ an’io tranon’Andriamanitra io tamim-pifaliana ny zanak’Israely, dia ny mpisorona sy ny Levita+ ary ny sisa tamin’ireo avy any an-tsesitany.+

  • Nehemia 12:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Rehefa hotokanana+ ny mandan’i Jerosalema, dia nampanantsoina tany amin’izay rehetra nisy azy ny Levita, ary nasaina nankany Jerosalema mba hanao ny fitokanana sy hifaly, ka hisaotra+ sy hihira+ miaraka amin’ny kipantsona sy lokanga+ ary harpa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara