21 Dia hanasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty.+ Ho fitsipika mandritra ny fotoana tsy voafetra ho azy ireo izany, dia ho azy sy ny zanany hatramin’ny taranany fara mandimby.”+
6 Fa ho masina eo anatrehan’Andriamaniny+ kosa izy, ary tsy hanazimbazimba ny anaran’Andriamaniny,+ satria izy no manolotra ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, dia ny sakafo ho an’Andriamaniny.+ Aoka ho masina izy.+
2 “Teneno i Arona sy ny zanany lahy mba tsy hanakaiky* ny zava-masina aterin’ny zanak’Israely, sao hanazimbazimba ny anarako masina,+ vokatr’izay ataony amin’ireo zavatra hamasinin’ny zanak’Israely ho ahy.+ Izaho no Jehovah.