FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 15:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hisy olo-mahantra foana mantsy eo amin’ilay tany.+ Koa izany no andidiako anao hoe: ‘Tokony hanokatra ny tananao ianao ka halala-tanana amin’ny rahalahinao ory sy mahantra, izay eo amin’ny taninao.’+

  • Joba 31:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Raha tsy nomeko ho an’ny mahantra ny zavatra nahafinaritra azy,+

      Ary raha nataoko reraka ny mason’ny mpitondratena,+

  • Salamo 112:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Manao fanomezana be dia be izy, ary manome ho an’ny mahantra.+

      צ [Tsade]

      Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+

      ק [Kôfa]

      Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.*+

  • Ohabolana 14:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Manota izay manao tsinontsinona ny namany,+ fa sambatra kosa izay miantra ny ory.+

  • Ohabolana 19:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+ ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.+

  • Mpitoriteny 11:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Anomezo ho an’olona fito ny fanananao, eny, ho an’olona valo aza,+ fa tsy fantatrao izay loza hitranga eto an-tany.+

  • 2 Timoty 1:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Fa enga anie ny Tompo hiantra ny ankohonan’i Onesiforosy,+ satria namelombelona+ ahy matetika izy, sady tsy mba nahamenatra azy ny rojo vy+ namatorana ahy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara