FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 1:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Ary hoy koa Andriamanitra: “Efa nomeko anareo ny zavamaniry rehetra misy voa famboly, eny, ny zavamaniry rehetra eny ambonin’ny tany manontolo sy ny hazo rehetra izay mamokatra voankazo misy voany.+ Aoka ho sakafonareo izany.+

  • Genesisy 9:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.+ Omeko anareo avokoa izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso.+

  • Matio 6:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony+ ny amin’ny ainareo,* dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.+ Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina, ary ny vatana noho ny fitafiana?+

  • Matio 6:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Raha ny zavamaniry any an-tsaha, izay any ihany anio ary hatsipy ao anaty afo* rahampitso, no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana?+

  • Lioka 12:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa raha ny zavamaniry any an-tsaha, izay any ihany anio, ary hatsipy ao anaty afo* rahampitso no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana!+

  • Jaona 3:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra+ an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana+ mba tsy ho ringana+ izay rehetra maneho finoana+ azy, fa hanana fiainana mandrakizay.+

  • Asan’ny Apostoly 14:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona izy, satria nanao soa+ ka nanome anareo ranonorana+ avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara