FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 19:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tamin’ny farany, dia nilazan’i Saoly i Jonatana zanany sy ny mpanompony rehetra fa tiany hovonoina ho faty i Davida.+

  • Salamo 10:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Mamitsaka ao amin’ny takona izy, toy ny liona ao amin’ny fiereny.+

      Eny, mamitsaka izy+ mba haka an-keriny ny ory.

      Sintoniny hikombona ny haratony, ka alainy an-keriny ireny.+

  • Salamo 37:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina,+

      Ka mitady fomba hamonoana azy.+

  • Salamo 38:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fa mamela-pandrika ireo mifofo ny aiko.+

      Miresaka fampahoriana ireo mitady hanisy ratsy ahy,+

      Ary mingonongonona milaza fitaka foana izy ireo.+

  • Salamo 56:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Manafika izy ireo, dia miafina,+

      Ary arahiny maso foana izay alehako,+

      Ka mifofo ny aiko izy ireo.+

  • Salamo 71:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko,+

      Ary mikaon-doha ireo mifofo ny aiko,+

  • Jaona 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Taorian’izany, dia nanohy ny diany nitety an’i Galilia i Jesosy, fa tsy te handeha tany Jodia izy, satria nitady hamono+ azy ny Jiosy.

  • Asan’ny Apostoly 23:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa aza manaiky horeseny lahatra ianao fa lehilahy efapolo mahery ry zareo no efa miafina mba hanafika+ azy, ary efa niozona ireo fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.+ Ary efa vonona izy ireo izao, ka ny fanomezan-dalana avy aminao no sisa andrasany.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara